Fivavahana tatsinanana

Faritra eto an-tany ahitana betsaka ny mpanaraka ny fivavahana tatsinanana ankehitriny (miloko mavo), ampitahaina amin' ny faritra ahitana betsaka ny mpanaraka ny fivavahana abrahamika (miloko mavokely).

Ny fivavahana tatsinanana dia fivavahana nipoitra avy any amin' ny farirtra atsinanana eto amin' izao tontolo izao, dia any Azia Atsinanana sy any Azia Atsimo ary any Azia Atsimo-Atsinanana, izay misy fahasamihafana lehibe amin' ny fivavahana tandrefana sy ny fivavahana afrikana ary ny fivavahana iraniana. Ao anatin' ny vondron' ny fivavahana tatsinana ny fivavahana any Azia Atsinanana (toy ny sintôisma, ny sindôisma, ny taôisma ary ny kônfosianisma), ny fivavahana indiana (toy ny hindoisma, ny bodisma, ny sikisma ary ny jainisma) ary ny fivavahana animista samihafa.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search